Tsikirity momba fody (Johanesa Rakotovao, mpitandrina)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"Toy ny tsindranolahy an-keniheny :ny tama-miray ihany no miray"
Tafaraka tamin'ny fody nihira
Ilay tsikirity saresaka izay.
Kanefa toa fasika anatin'ny sira :
Tafaraka ihany, fa tsy mba miray.
Rehefa mikalo lay singany irery :
Tsy misy toreby ho saikiny akory,
Ka dia nanjoretra toa olona very
Ilay tsikirity, fa kivy sy ory !
Fa nony nandalo ny namany maro :
Odrey ! Samy revo nanao tsipisandry !
Korana sy hira no indray nifangaro,
Fa mamy ny havana, ho'aho, razandry !
Voambolana :
Toreby : feo fahatelo
Saikiny : feo faharoa, fanampiny
Tsipisandry : dihy, ka ny sandry no ahetsiketsika miakatra sy midina, na ahodinkodina
--------
Rohy:
Mpakafy:
jantina
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Johanesa Rakotovao, mpitandrinaNampiditra : jantina
Daty : 03/08/2019 08:49