Laolao teny (Karako)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mivolombatolalaka ny jinery sy tazanina
Tena matromatroka ka mampifoha hanina!
Ny hazo ringi-dravina, ny masoandro malaina
Izao ilay volon'andro mahalasalasa saina...

Lasana any ho any!
Lasa lavitra any…
Malaina ny hiverina fa lasa nofinofy...
Ny vatan-kamo mihetsika k’he mihafarofy
Tsy ampy hafanana…
Ilay johary manko zara misy tana!

Dia lasa ny vinany...
Hanao ahoana ihany
Ity Gasikara ilay tany nihaviana,
Tany iorenan’ireo havan-tiana?

Toa vao mainka miletsy!
Na kely na lehibe mba samy te ho fetsy.
Manao izay hihinanany;
Tsy miraharaha ny namany.
Samy maka ho azy, tsy mijery ny hafa
Ny hany ao an-tsaina dia ny “izaho tsy maintsy tafa”

Tsy sarobidy intsony izany fihavanana
Ny manjaka izao dia ny ory hava-manana!
Tsisy fanajàna ho an’ny volofotsy.
Izay rehetra ambany dia aleo voahosihosy;
Tsy masina intsony ny fanambadiana,
Potika sy rava ny maha-fianakaviana!

Izany sazy izany dia ho an’ireo izay bitika
Fa raha ambonimbony dia sarotra voakitika.
Tsy maty manota ny ankamaroan’ny olona..
Raha hitady toerana dia mody mba mitolona.
Rehefa avy eo anefa dia mamaly faty
Ny toetra mankahala no fositra ao anaty!

Tsy voankazo an’ala fa ianarana avokoa
Izay ataon’ny vahiny, na ny ratsy na ny soa.
Dia maika haka tahaka satria vita vazaha
Atao tsinontsinona ny olombelona fanahy.
Mari-pandrosoana ny manimbazimba
Izay satan’ireo Ntaolo avelao ho simba!

Mivolondavenona ny lokon’ny tontolo
Tsy fotsy manjompiaka fa kosa ringim-bolo!
Mbola tsy tafandry ny oran’ny fanala;
Ny hoavinao ry taniko tsy misy mahalala!

Karako
2016-10-31
--------
Rohy:
1302 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Karako
Nampiditra : karako
Daty : 22/11/2016 16:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01