AZY IRERY ( POETA ) (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy avelan ' ny eritreriny mihetsika ny vatany.
Fikirin ' ny fijeriny hitempo anaty tratrany :
ny omaly zay tsy fantany, ny ampitso hosoratany....

Tsy avelan ' ny eritreriny mitodika ny lohany.
Fikirin 'ny fijeriny 'zay mety ho ambiroany :
ny omaly tsy hifohany, ny ampitso zay horohany...

Dia io fa lasan ' izy ,
nanaraka ny vetsony,
mihaino ny eritreritreriny,
mamadika ireo sary,
any an-dohany any.

saingy .... AZY IRERY IZANY !

Hataony tononkalo
ireny rehetr' ireny,
rehefa injay ny vatany
rehefa injay ny lohany :
avelan ' ny eritreriny,
avelan ' ny fijeriny,
hiverina eto an-tany
mba hitantara izany.


KIRIAH
--------
Rohy:
1271 0
Hevitra mandeha
raozigasy ( 16/11/2012 08:59)
Dia nisidina izy teny rehetra teny
Ny sainy lasam-borona, ny jeriny nanjeny
Ny fanahy sy ny ambiroa, Ny vetso sy ny sisa,
Eny an’habaka eny, mikorisarisa
Manangona ny tsiahy, sy omaliny rehetra
Ireo nofy adaladala, ireo tsiaro etsetra etsetra



kiriah ( 05/12/2012 20:50)
Mifantoka any ho any
Ny jerin'eritreriny
Variana manontany

Tamana maminany

Ka mila tsy ho voaveriny
Hitodika eto an-tany

Mifantoka any ho any
Satria izay no heveriny
Ho faratampo-mamy

janahary ( Ratolojanahary.D.S)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159