VOASORATRA (KIRIAH )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voasoratra ho izy:
'lay hanova ny fizotran' ireo rahona misosa
eny ambony lanitrao...

Voasoratra ho izy:
lay hamafa ireo kinasa tany anaty taona lasa
sy hanafohy ny andronao...

Voasoratra ho izy :
lay karohin' ny fonao eny an' enton ' ny seranana
fiantsonan' ireo sambo...

Voasoratra ho izy :
ilay injato hotadiavin' itsy saina tsy afa-miavona
na alina na atoandro...

Dia aoka atao hoe izy:
lay alinalim-pody ka indro fa mivimbina hanitr' olon-kafa
dia io ianao tomany...

Mbola izy koa:
No mahatonga anao manopa , hanozona lay tiany
dia lay namela ratra tadidiny any ho any...

Aoka atao hoe izy:
lay manery anao
ahay hamela heloka na inona ataony
omaly sy rahampitso...

Eny tena izy :
lay mbola hotiavinao
mameno eritreritra
Dia tiana sy lalaina
NA MARINA na DISO ...

KIRIAH

( dika-teny malalaka sy ainga avy amin' ilay hira hoe : C'EST ECRIT. Francis Cabrel )
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1782 1
Mpakafy: joseclaudio
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : KIRIAH
Nampiditra : kiriah
Daty : 08/09/2015 12:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141