Adala (Lee Andrianalaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Adala.....

Fitia mitangorona
Tsy fanta-piavina
Ny fo natao sorona
Hanakely hakiviana

Na rarĂ na tsy voarara
Sakanana fa mitombo
Miezaka ny ho tsara
Afenina toa mihombo

Tiany anie ianao....
Fa adala hono izy iny
Fa tsinotsinoavinao
Mandrak'ankehitriny

Mahery loatra ny fitia
Izay atolony hoanao
Antenainy ho odoria
Raha toa ka sitrakao

Na hamoizany ny ainy
Ianao ihany no malala
Hanadino anao tsy hainy
Satria hono izy adala...

Lee Andrianalaina
03 novembre 2021
--------
Rohy:
568 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138