Dokadoka olontiana (MAHAFALY Barson Lahivelo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DOKADOKA OLONTIANA

Ireo rantsantongotrao
kelikely lavalava,
ravahan’ireo hohonao
tena mampitampim-bava.

Ireto voavintsinao:
mandimandina sy kanto.
Tsara tsy mba mankalao
ny famindranao milanto.

Ireo fenao tsara voatra,
tena mampitelina ivy.
Eny tena tsara loatra,
toy ny zava-marikivy...

Ireo nononao roa:
Mahavariana aoka izany,
kanto, meva, tena soa
sady tsy mba mety lany...

Ireo molotrao matsiro,
mahate-hanorokoroka.
Ampian’ny ivinao madiro
ka lasa tena safononoka.

‘Reo nifinao mipariaka,
fotsy mahate-ho tia.
‘Zato endrikao sariaka:
Tena mamiko doria

Ireo volonao lava
mihofahofa: mahavariana
Angamba ianao tsy Sakalava
fa taranak’Indiana...


Ka ny tiako ho tenenina:
Tena kanto re ianao.
Ka tsy azoko afenina
raha izato hatsaranao

MAHAFALY Barson Lahivelo
--------
Rohy:
Sokajy : fitiavana
1554 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152