Eny anabakabaka eny (Ilay FANAMBY)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny anabakabaka enyEny anabakabaka eny
No sisa fanantenako
Eny mako no mba fialokalofako nefa rakofan-draho maity mitatao zay monina mandavatao
Eny no mba sisa fitaratra, nefa rahona tsy mijanona fa ali-maitim-pahavaratra
Eny anabakabaka eny no anidinana lay elatra
Nefa oram-batravatra godo amam-kelatra
Eny no mba irina hahasambatra
Nefa raho mitatao amam-baratra
Eny no mba irariana diavola-kasambarana
Nefa rimba lay volana fenomanana
Eny no mba akana lay hatsaram-bitana
Nefa lasa nandao ahy ireny kintana
Eny apara-vodilanitra eny
Eny sisa mba fanantenako
Eny mako no mba fitsangatsanganako
Nefa tsy haiko fa toa rakofan-javona feno bibidia mampahonena ka tsy afaka onena
Eny aho no mihazana tantely
Nefa toa nandao reny ka rivotra sisa mifofo ka mameno ny foko
Eny aho no mihazana vorona
Nefa voary manetroka no mameno ny ao akorona
Eny no itarafana taramasoandro
Rehefa iny takariva mody masoandro
Nefa aloka mangatsiaka fa tsy taratra manjobika.
(Ilay FANAMBY, Eny anabakabaka eny, septembre 2021)
--------
Lien:
