mbola ho avy ny maraina (manantena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fahamarinana eh, fahamasinana
Izany no mody hitarihana
Ny vahoaka hanara-dia
Izay efa mikodiahadia
Eny amoron'ny arabe
Tsy mahita izay aleha

F'efa lafo izao ny fiainana
Tsy misy azo itarainana
Ny asa tao nefa tsy misy
Ny orinasa miha vitsy
Ny fambolena tsy manjary
Toa akaiky ny mosary

Koa matokia ianao ry taniko
Ry sampy tiako sy andrianiko
Fa mbola ho avy ny maraina
Tsy hisy intsony ny taraina
Fa maraina vaovao
No hiposaka ho ahy sy ho anao

Fa tanora maintso volo
No sahy hanova ny tontolo
Hampajaka fahalalahana
Sy hitondra fahafahana
Ho an'ny vahoaka marobe
Tarihan'i Andry TGV

Koa mitsangana ry tanora
Fa efa tonga izao ny ora
Hanorenana indray
Ilay nofinofy fahizay
Eh sambatra tokoa izahay
--------
Rohy:
2123 0
Hevitra mandeha
ledada ( 23/02/2009 11:57)
tsy maintsy misy alim-potsy vao ho tonga ny maraina f'aza manao hevitra ataingina toy io.mbola hovonoina aloha izy sahy d ny ambiny tsy maty no hahita ilay maraina manerika be
ledada ( 23/02/2009 12:01)
betsaka ihany izay lasa fanatic-na tolona izay fa tsy hita ho lasan-davitra akory rehefa ho "vita ny tolona". d tandremo indray sao d hilaza eo hoe hafakely tsy toy ny efa nisy hatr@ andron'ny menalamba io "tolonareo" io ka azo antoka fa hitondra fahagagana sy fahasambarana ho an'i Gasikara....
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : manantena
Nampiditra : manantena12
Daty : 21/02/2009 07:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096