Taratra hazavana (MBL)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny endrikao mamiratra, dia taratra hazavanaToy ny andro mihiratra, arahina hafanana
Taratra hazavana, fa satria nahoana?
Toa tsy mahatamana, rehefa tsisy anao
Ilay foko babangona.
Miverina ato an-tsaiko,mihodina ato an-doha
Tsy mivoana fa dia ao
Mandamina ny saiko, tsiriritin'ity foko
Ilay anaranao
Ny anaranao toa mendrika izato toetranao
Ny samboko tsy ho rendrika, raha itoeranao
ao anatiny ao
--------
Rohy: