SAROTRA AMBARA (Ny Avana Ramanantoanina)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny zava-drehetra mandeha ara-tendry,isika olombelona anisan'izany
ny Tompo Mpitondra mahay sady hendry,
asainy mitsiky ary mitomany.
Imbetika isika dia faly dia faly,
omen-kasambarana, soa sy mirindra,
Mbetika kosa, indrisy ! Mijaly,
toa latsaka lalina, lalina indrindra.
Misento ny saina : injao manontany :
mba inona indrindra no anton'izany ?
moa ve fitiavany sa fitsapàna,
'ty nofo malemy ka sorisoreny ?
Mangina, mangina, mangina, ry foko :
ny tendrin'ny Avo ka zavatra tsara :
anio ravoravo, ampitso toloko,
ny anton'izany ka sarotra ambara.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Avana RamanantoaninaNampiditra : verokely Fianaroise
Daty : 22/01/2015 13:36