Ampidiro aloha ny tenimiafina
Zazavavin'ny alina (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indro ny zazavavin'ny alinaHiroboka anatin'ny fahotana lalina...
'Ndeha hiasa izy iny...
Ny fianjaikany lahy toa maha-ory,
Izato hanifiny...Toa mahangoly...
Fa manintom-bahiny!
Dia manao jejojejo mba hisy hahita
Fihetsika folo...kinanjo vao vita
dia indro tokoa...
Ingahy Ndriana ,tompon'ny harena
Nahatsipalotra an'ity mpivaro-tena
Dia niroboka koa!...
Dia io fa mampiresaka sy manontany:
Hoatrinona eo ho eo izao no mankany?...
-Dia maika tsy faingana rakala namaly
An'ity mpanefoefo te mba hikaly...
Ka hoentiny ho any...
Dia nentiny tany...mba hampijaly izato tenany
Iaretany,hono,na dia mangiran-dratsy aza vao mety ho avelany
Toa tena fijaliana!
...Nony maraina,rehefa vita ny nataony
Niala Ingahy Ndriana f'efa afa-po sy laony!
Rakalakely kosa hamonjy lahasa izay efa nofidiana...!
RAKOTOMALALA
Tanjona Mandimbison
09/01/2015
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiaraha-monina
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : RAKOTOMALALA Tanjona MandimbisonNampiditra : sayyuk01
Daty : 01/09/2015 15:09
