Ianao no anjarako (Rabetokotany Latiana (Petakasoa))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO NO ANJARAKO

Tiako ianao ry ilay malalako
Ilay tolo-janahary mamy
Notendreny ho ANJARAKO
Hiarahako hanorina akany

Izao vao voafinidiny
Ny fotoana hiarahantsika
Faly aho fa nisy vidiny
Ilay faharetako tsy nipika

Indro raiso ny fitiavako
Ry nandrasako hatry ny ela
Fihino mafy izany tanako
Tazony hatrany aza avela

Andeha isika hiray safidy
Hanatona ny alitara
Hanao voady ho tadidy
Hangataka dimby sy fara

Ka raha ory isika na sambatra
Andriamanitra izay nampiray
Ary koa efa nanambatra
Ho deraina mandrakizay.

PETAKASOA (faha-08 jolay 2010)
--------
Rohy:
Sokajy : Mariazy - tsara - Fifaliana
2934 0
Hevitra mandeha
ikalavavy ( 09/07/2010 04:19)
aoka fotsiny e! tiako be, Felana ihany akia Tiana a! mankasitraka e!
petakasoa ( 09/07/2010 06:11)
Misaotra betsaka anao namaky sy nankasitraka. Efa azonao "ny anjara maminao " ary efa niantomboka ny "fara sy dimby" fa dia mirary ny soa rehetra ho anareo hatr@ farany ary tanteraha soa izay isan-taranaka irin'ny fonareo.

Manoroka mamy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0142