Hembona (Ra-Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho manina aho, ary ahatsiaro
Ilay feo ambadiky ny findaiko
Rehefa tonga ny fotoana toy izao
Dia Ilay feo ny loharanom-piainako

Maniraka izy, hampidiro fahana!
Fa fetin'ilay zanako anio
Mba hiarabako, hirariko soa ho azy
Ho tratry ny maro izay ho avy

Indrisy, tsy ho reko intsony ilay feo
Ho gina ihany koa ilay finday
Efa Enim-bolana katroka teo
No niampitany ny Mandrakizay

Tsy ho reha ny sofiko intsony ireo teny
Hoe "Arabaina dia mirary soa e!"
Fa ho tsapa ao am-poko kosa ireny
Satria teny mamy avy amin'i Neny.


Ra-Aina
25-03-2020 23:05pm
--------
Rohy:
352 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01