FIainana o (Rajordri)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fiainana O,
onja ve ianao ka naharendrika ahy,
sa torimaso ka naharendrika ahy
sa hery toa tsy haiko ka manery izay tsy tiako,

Toa avarinao kisendrasendra, ireo mba mamy tao am-poko
nokosehinao hanjary lasa, ireo izay mba nandrandraiko.

Nefa ry fiainana o
mbola hantenaiko ianao raha mbola misy koa ny ampitsoko.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1151 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138