Ampidiro aloha ny tenimiafina
zavon'ny fanahiko (Rajordri)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny toerana iny toa tsy tiako ho tsarovana,toa halako hosainina, anefa iriko holalovana.
Raozy kely kanto kanefa saro-draisina
satriko hofihinina, faingy miahotra aho ny ho faisana.
O ry aiko, aiza e ny lalana ombana?
fa zavona matevina manamaloka tanana
no indro eo alohako.
Fa rako-javon-takariva iny toerana iny
dray diso aho!aza omena tsiny,
Hay ny zavon'ny fanahiko no afindrako eto an-tany.
Rajordri
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
