Ento aho ravorona (RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ento aho ravorona hanaraka anao
Fa mafy ny fiainana an-tany
Mba raiso ho isan'ireo zanakao
Fa ny fiainana tsy ilaoza_tomany

Ento aho ravorona, ento hanidina
Hombay ambany elatrao manify
Iaraka isika, iaraka hisidina
Mbola lavitra ny lalana, ela vao ho dify

Ento aho ravorona mamiko indrindra
Mitamberina ny lasa rehetra
Lay olo_tiako lasa nifindra
Ny foko nitia toa nandroretra

11jolay 2010
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
1089 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102