LIANTSOA Vehivavy iray t (RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LIANTSOA

Vehivavy iray tsy fantatro
Tsy aiko fihaviana
No nametrahako ny fitiavako
Fa tojo tena tiana

Liantsoa no anarany
Kanto,meva,tena tsara
Tao amin'ny Geg no nianarany
Ilay tovovavy nahatara

Dia nomeko ny fitiavako
Tato anatiko ry tiana
Mba raiso re rahavako
Izato vetsom-paniriana

Fa novalinao tsia
Tsy tao anaty saiko akory
Indrisy lavo ilay fitia
Ka tonga mampahory

Dia niandry hatrany
Ny aminao aho Liantsoa a!
Na ho tsiky na tomany
Dia ilay endrikao
soa
No mahavelom-panantenana
Ny amin'ny androko rehetra
Efa lasanao

Fenoantra(RFM)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1023 1
Mpakafy: fenobe3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142