NODIMANDRY (RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nodimandry i Felicien Rakotomalala
Very olomanga ny firenena
I Andriamanitra ihany no mahalala
Izay mahasoa azy, ka zay miseho eo dia ekena

Izy no nodimandry tsy ho hita intsony
Fa ny feo mangany ho re sy hitoetra
Indray androany mbola ho avy izay ho solony
Andriamanitra no mpandahatra ny zava _drehetra

Halahelo tsy hay tohanana
Fahakivina no nanjaka
Nodimandry lay mpihira havanana
Andriamanitra no namorona dia izy indray avy eo no maka

Ranomaso no nirotraka
Fanembonana sesilany
Nalahelo sy nangoraka
Ireo ankizy namany

Fa Kristy no antony havelomany
Ary ny fahafatesana no hazoany tombony
Mandriampiandanana izany namako izany
Ny ambany mbola ho lasa ambony
Fa izany fiainana an-tany

15 Mars 2013
--------
Rohy:
Sokajy : embona - Fisarahana - Alahelo
865 1
Mpakafy: fenobe3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145