HO AN'IZA HOY IANAO NY TSINY? (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
 Ho an’iza hoy ianao ny tsiny ?
 Raha hary ianao ry tiko
 Tonga soa nivahiny
 Ianao dia tanjona niriko

 Ho an’iza hoy ianao ny tsiny ?
 Raha izaho no Rainao
 Nahatonga anao teto an-tany
 Ilay namorona ny anaranao

 Ho an’iza hoy ianao ny tsiny ?
 Raha tsy ho feno ny fahasambaranao
 Mety ho an-tsasany na ampiana
 Ireo hany mba fifalianao

 Ho an’iza hoy ianao ny tsiny ?
 Raha alaelo ianao indray andro any
 Hieritreritra ny lasanao fahiny
 Itady fahanginana, andatsaka tomany

 Ho an’iza hoy ianao ny tsiny ?
 Raha hahatsiaro irery ianao indraindray
 Hanontany iny lasa iny
 Hoe ny Raiko ve tia ahy ?
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
380 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141