TAO ANATY ONJA (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
 Datin’andron’Alahady
 Indray folak’andro izay
 Tonga aho tsy nanadihady
 Nefa nahita anao tampoka izahay

 Ekeko aloha, fa nanafatra aho taloha
 Ny fotoana mba ifankahitan-tsika roa
 Saingy tsy nahafa-po no nitranga
 Hay indro ianao fa nanangasanga

 Tonga tsy nantsoina fa nasesikin’ny razana ?
 Hoy aho nanontany tena
 Tsia ! lahatra io fa tsy niotazana
 Hoy ihany aho nivoaramena

 Nanomboka ary ilay androm-pahasambarana
 Nanantona anao aho ka nanontany anarana
 Tsy nisalasala nefa ianao namaly ahy
 Koa latsa-paka anao sahady ny ahy ny fanahy

 Nandeha ny resaka nandeha ny ora
 Koa indro aho nanantona anao moramora
 Te amboraka avy hatrany ilay fitiavako
 Nefa toa tsy sahy aho, fa sao lavinao

 Nanosika ahy atrany nefa ilay toa vy
 Koa notereny aho hanitsy hatrany ny dia
 Anolotra azy ho anao iray minitra monja
 Dia ilay fitia nafana tao anaty Onja

 Iriko mba tsy andalo fotsiny ihany
 Izao fiarahan-tsika izao
 Fa tena ho mandrakizay anie izany
 Koa ho roa iray izao sy ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
420 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0183