Fahantrana (RAMANANTSOA Ricardo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FAHANTRANA

Fiainan-tsarotra tsy mora setraina
Fa aizimpito no miseo
Ka tsy mba misy izay maraina
Fa fijaliana mankaleo


Izany foana no mba misy
Ka alahelo foana foana
Izay fifaliana dia indrisy
Fa fisaonana mandava-taona


Fa fahoriana lava izao
No mba misi eto an-tany
Ka tebiteby mankalao
Izay jerena dia tomany



Ny fitafiana sy sakafo
Rovidrovitra eny foana
Tsy mba takatra sy lafo
Ka ny ao an-trano babangoana



Ny aina no hany fananana
Fa ny ankoatra izay dia lany
Ny retraretra dia tsy ananana
Ka tsy misy mpanontany.


RAMANANTSOA Ricardo
--------
Rohy:
3075 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMANANTSOA Ricardo
Nampiditra : ricardo
Daty : 30/11/2004 06:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098