Teny lasalasa (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ratraratra iny, teny lasalasa teny !
Tsy niniana kanjo toa nahatonga fery.
Malamalama vava loatra sy masiaka fiteny.
Namadika ny sary sy nanova ny fijery.

Tsy vokatry ny fo anie fa disodiso kely.
Lasalasa ho azy : kabary tsy valiana !
Rera-tsaina koa ka namely dia namely.
Ialana tsiny re, fa tsy fanahiniana.

Ilay fiainana mantsy, masiaka dia masiaka.
Ny ratram-po koa mangoaka dia mangoaka.
Atosin'izany avy dia injao fa mikikiaka,
Ka tsy voalanja intsony izay teny mila avoaka.

Hevero nefa hoe, mbola ao ny toe-panahy.
Tsy hanan-jamba mihitsy na tsy hampanjary izaho.
Iny re raha mety mba hibanjinana ahy.
Dia tsy hisalasala ianao, fa tsy mpamitaka aho.

Andrianitsiahy Ravonjison Herizo
Ampitatafika, 30 septambra 2026, 22:03
--------
Rohy:
7 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0184