FO VOAHIDY (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FO VOAHIDY

Nohidiako ny foko mba tsy hitia intsony intsony
Fa izany angaha no lahatra sy tendry avy any ambony
Ny hizorako amin’ny làlako, handehanako irery
Zava-dalina izany, tsy takatro fa misitery

Ka manomboka anio, ho moana raha ny peniko
Tsy hivetso intsony fitiavan’olon-droa ny teniko
Malala ary Tiana no nifampiantsoanay fahiny
Fa namana amin’izay sisa izao ankehitriny

Tsy horaketina an-diary ny zava-bitanay taloha
F’aoka ny lasa mba ho lasa tsy hofohazina hifoha
Mety angamba malahelo mitomany izany fo
Fa ankinina amin’ny Ray ny hanao izay mahasoa

Eny, Tompo, Aminao no anankinanay ny fiainana
Ny hamaoka ranomaso, hanafoana fitarainana
Aminao dia Aminao no ametraham-pitokiana
Fa Ianao dia Ianao ihany no hanome ny fitoniana

RFE Andria – 04/05/2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
1118 1
Mpakafy: The_BSB_Malagasy
Hevitra mandeha
The_BSB_Malagasy ( 07/05/2015 10:07)
Makarar fo kely, (y)
Arofanina ( 10/05/2015 07:46)
Izany no miseho rehefa mifankatia nefa tsy afaka ny hiara-dàlana e !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : Arofanina
Daty : 04/05/2015 09:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162