IANAO (RFE Andria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO

Eny, fantatro sakaiza
Fa na ho aiza aho na ho aiza
Dia tsy hahita toa anao:
Tia fotsiny amin’izao!

Fa ny anao ny fitiavana
Tsy mba ilay manavangavana,
Ilay tsotra ts’isy tentina,
Ilay madio tsy misy pentina

Tsy hatakaloko na oviana,
Eto aho dia mianiana:
Ho raki-tsoa anatiko ao
Ianao sakaizako, IANAO

RFE Andria – 19/07/2017
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
2351 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RFE Andria
Nampiditra : arofanina
Daty : 19/07/2017 13:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158