VAHOAKA, Zandry a! Jereo (Telomahery)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAHOAKA,
Zandry a!
Jereo ny zava_misy
fa raha resam_pifidianana
no mbola ifaninanana:
dia atsangano aloha ny tanana,
ho dinam-pihavanana!!!
Maro anie ny ngeza e!!
mpisandratra amin ny seza,
milaza ho tafavoaka
fa laninao vahoaka,
tamin ny fangalaram-bato
tafavoaka tato ho ato
Dia avy ireo mpitondra
mandray ireo ho diamondra,
arabaina atao salanitra
ho toy ny Andriamanitra,
Fa ny olanao!!
Rahoviana?ianao ry fitohanana,
izay mpanimba tanana,
mpampijaly ireo mpiasa birao,
indrindra ireto zanakao;
mpilahatra amin ny bus
hanjakan ireo virus
mifanitsaka amin ny namany,
amin ny kapa sy fananany
Ka rehefa injay ianao voakitika,
tsy mifidy!!!fa kely ianao na bitika,
dia sahiny miteny
dradrainy hatramin ny reny,
Fa ao koa ireo fako,
efa re nanakoako
mpanangona voalavo
fanafenana ny lavo,
manohana mpandeha
mpiedinedina fandeha,
indrindra eny an-tsena
izay alehanao jambena!!!
fa ny lalanao fefena
amin izato entana efa lena,
dia eo ianareo vahoaka!
mpiara-dia mpitsoaka!
mitady filaminana
anaty vola-tsinanana!
TELOMAHERY
--------
Rohy:
948 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Telomahery
Nampiditra : telomahery
Daty : 16/09/2015 07:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109