Manorata tononkalo (Tsiky dia ampy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manorata tononkalo,
F’aza avelanao handalo
Sy hiserana ihany
Na ny maso mitomanin’
Ny fo mamirifiry
Na fitia vao mitsiry
Tao anaty mangatsiaka
Na ny molotrao mitsiky
Feno vetso kalokalo
Aza avelanao handalo
Manorata tononkalo

Manorata tononkalo
F’aza avelanao handalo
sy ho zary nofinofy
Iny masony nitopy
Toa nikimpy toa nijery.
Ny fitiavanao mahery
Tao anaty toy ny afo
Ny molotrao nanafosafo
Nampangovitra nimalo
Aza avelanao handalo
Manorata tononkalo

Manorata tononkalo
F’aza avelanao handalo
Sy hanjavona tsy teo
Ianareo nampiara-peo
Mbola samy naka fy
Mamomamon’ny fitia
Dera, Laza, Hery, Haja
Dia nihira nankalaza
Ilay hira fahavalo
Aza avelanao handalo
Manorata tononkalo
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
6005 5
Hevitra mandeha
kiriah ( 23/05/2012 10:52)
ndraindray te hanoratra ihany fa zany hoe tsy mety ho tena hita lay teny ho entina mampita azy an-tononkalo.

tsara !
hjravs ( 18/04/2015 08:55)
satria mihodina ny tany,
dia ho lasa ve ny Androany?!
tsy handalo izy akory
fa tena afaka hitory
hanaporofo ny fisiany,
iny tononkalo nosoratanao iny....
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1053