Hontsana (Zo-Maminirina)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hontsana
(Ho an'ireo akaiky ahy rehetra efa lasana nialoha lalana)

Lasana izy lasana,
Natelin'ilay fasana,
Lasa tsy himpody
Tsy toa masoandro mody
Fa miandry azy hiverina
Ery amoron-kady,
Ery ambavahady,
Ery andrefan-trano
Ny masoko manganohano.
Na kopa-damba aza, indrisy,
Tsy niherehany, ...tsy nisy!
Hontsahontsam-po
Manafotra ny tany
No tonga he... manjo
Ka maso no tomany!
Fa izy ... lasa any!
Ronjona ankaso,
Toto-dranomaso
Ny tsiaro mitamberina
Ho an'ny lasa tsy hiverina
Tsy nanotrona ahy akory
Fa lasa dia natory.
Ô!Mangeroka e ry Ray
'Zato fahorianay!
Lasa lavitra ireo tiako...
Mafy ny hontsam-pahoriako!

Zo-Maminirina
(Atolotro ho an'i Dada, Lanto zandriko,Hanitra
R.A.,ClauRà,Iarilala,ARNi,Théo,SeFrera namana rehetra sy ireo tsy ho
voatanisako eto)
zoma 3 septambra 2010, 5 ora 02' tolakandro
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1207 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096