Fo velon-kira. (Volatiana Rahaga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny teny rehetra rehetra filazana ny fitia,
Dia efa novetsoiko, nolazaiko, nampiasaiko,
Saingy tsapako fa tsy ampy reo satria,
Ny fitiavako anao dia tsy takatry ny saiko.

Ny aminao rehetra ampitahaiko amin'ny hafa,
Dia nalahatra hambabo ity foko nanirery,
Fomba fiaina, fijery, fitsiky sy fitafa,
Niampy ny fahatsoranao nampikatona ity fery.

Mibitaka sy jejo ity foko sendra zay manina,
Nijanona fitempo sendra anao tsy misy kihanina.
Ny mba faniriany raha ny aina no hametra,
Dia foiny zao rehetra zao fa ny fitiavany aoka hitoetra.

Volatiana Rahaga
San francisco May 2006.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1063 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Volatiana Rahaga
Nampiditra : Sohitika
Daty : 24/04/2008 22:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137