You are here: home > Vetso

Ni..! (RPR)

..............

Matoa ianao navahako
Tamin'ireo maro izay nandalo teto
... dia ao tokoa ny antony
             Noho ianao lafatra
             tsara raha fitafy...
              maotina raha teny...
Matoa ianao tolorako
Izay mamy indrindra avy aty anatiko
... dia tokoa ny antony
              noho ianao nanda
              ilay fitiavako iny
              ilay sarotra resena sarotra nomena
Fa amiko izany dia mitaky toky
sy mitady antoka ho an'ny fitiavany
Ka ambarako eto fa voasafidy ianao
Hisalotra ny anarany

Posak'andron' Ni..! 13/10/07

Hevitra mandeha

hery (16/08/2009 06:34:03)

Asivo lohateny ny tononkalo Ni.. a

Niii (19/08/2009 07:12:06)

misy ainga tokoa ny mpanoratra ka
mankasitraka e

endrika01 (19/08/2009 07:42:53)

Ka ny mpamaky angamba no mametraka ny lohateniny,any an eritreritra e!

endrika01 (19/08/2009 07:43:40)

Ka ny mpamaky angamba no mametraka ny lohateniny,any an eritreritra e!

tslem (19/08/2009 12:58:35)

Ilay teboteboka angamba no lohateny e, fa ny tena mahavariana ahy izao dia toa tsy hita miseho eto ilay mpanoratra sy ny nampiditra ny tononkalo,ny daty sy ny isa sns....

Fa tsara dia tsara izany an!

Hametraka hevitra

Midira aloha