............... (Ni..! (RPR))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mb’omeo vola kely dadabe raha misy madama …
M’se e….
Ntsss….!!! mba mangataka tompoko …
………………
Efa mb’henoneo ve ny ako mitaraina sy ontsa toy izany
na ny hoe………….
M’se e….mba meo e ! mba meo roapolo fa noana e!
Miampy tanan-jaza mitsotra eo anoloana
Ary ilay jamba miambozo baoritra misoratra hoe…
Mangataka tompoko fa jamba…
Mametraka ny kaopiny amoron’arabe
Miandry izay fanenon’ny ho arotsakao
Efa nisy ve ???
Ary raha tsy nisy fa mpandalo teto ianao
Firy… tamin’izy ireny no efa nangorahana
Sy nahavoadona ‘lay fo nitepotepo hitsetra ny toa azy
Firy ???
Dia misy koa tarihin’ny vadiny na zanany
Hanoloana antsika manana ny ampy
Misy koa aza mikalo sy mihira fiderana an’Andriamanitra
Hanairany anao mandalo sy miserana
“Aza manadino ahy ry mpihaino vavaka
hoy ny ambetin-kalony efa tsemboka dia tsemboka
Izany ny azy no tetika sy paika mameno ny androm-piainany
Koa raha sitrakao henoy ny fitarainany manantena anao
Hitany taiza moa ‘zay hiditra am-piangonana
Sy hanankina ny fiainany amin’Andriamanitra???
Nohon’ny tsy fisiany dia tsy tsaroany izany
Koa raha sanatria…tsisy ny ho atolotra sy anjara kely
Hanampinao ny androaniny dia…!!!
Hiangaviako ianao hikalo andinim-bavaka
Ho an’ny ampitsony

folakandron’ Ni..! 09 Janoary 2005

Zandry Ni..!
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
27 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142