You are here: home > Vetso

TAMBERIM-PITIA - Ni..! (RPR)

Azo vakiana?

Ataovy aloha ny ditranao
Sy ny libanao rehetra
vitao aloha ny revinao
Fa toa mbola tsisy fetra
        Fay ny zava-bita aho
        Ka tsy te handre intsony
        Tsy te handre na hahatsapa
        Fitiavana toy itony
Nanenenako ny lasa
Ka tsy tiako hiverenana
Be tany ny nandratra
Dia aleo mba ho ferana
        Tsy hoe tsy tia anao ny foko
        Raha nisy fiovan-doko
        Fa mb'efa niezaka aho ny ho tia
        Nefa dia voahosy sy voadia
Angaha rehefa voadona hatrany
Dia aty indray no manontany
Manontanitany toerana
Hipetrahana hiverenana?
       Azafady raha handa
       Ny fitiavanao anio
       Aleo angaha ho mpianadahy
       Amin'ny fitiavana madio
Ialako tsiny koa rahavako
Raha toa mikombona ny vavako
Tsy mamboraka aminao
Ireo teny mamy izay fanao
       Ataovy aloha ny ditraditra
       Vitao koa ireo sipasipa
       Fa fay aho ny tena marina
       Dia mbola tsy afaka miarina
Ialako tsiny, ialako fondro
Raha toa ny foko voarojo
Ialako tsiny ankehitriny
Raha hafoy ny fahiny

30/01/99 à 22h 07 min!

Sokajy : Fisarahana, Fitiavana

Hevitra mandeha

pisokelinah (28/08/2010 08:56:00)

Grave be ty tantara iray ty ry Nirina a!iainanao ve tony e!sa mba aingam-panahy fotsiny iany!