You are here: home > Vetso

ALINA - Ni..! (RPR)

Azo vakiana?



Alina….
Nofiko hono alina
Tsy ianao no teo anilako
Izaho aza mba gaga fa niova ho tena lafatra
Noho ilay hatsarana efa anananao
Ilay alina iny

Ka !!! laniko namihinana ilay olona tsy fantatro
Ny alina tontolo
Dia nankafy aho
Nankafy tanteraka
Ka !... tsy nahatsiaro anao

Kinanjo  nony tonga
ny tsiokan’ny maraina
Inty aho ndeha hitsoaka
Fa ‘tahotra anao
Inona no teo?
Hay ianao ihany fa nofy no nentiko
Namihina anao

Neny a ! afaka baraka
Taminao ny nofiko

misandratr’andro’ Ni..!   09 Janoary 2005

Sokajy : Fitiavana