NY VOLA VE ???....................... TADIAVINA (Ni..! (RPR))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny Vola ve tadiavina fa fiainana ny Vola ???
…..dia atoko ny aina sitrany ahay
tonga roapolo ty loso eto an-tanana
ka mb’hiova hena irony laoka anana niainana hatrizay

Ny Vola hoe tadiavina fa fiainana ny Vola
……..dia fomba maromaro madio sy maloto no mifangaroharo
ka dia mitotototo fa lavitry ny Vola

Ny Vola ve tadiavina fa fiainana ny Vola ???
……...aleo hovaina kely hoy ny lehilahy
ny Vola tsy fiainana fa Vola maha rangahy
…………………
Ny Vola ve tadiavina fa fiainana ny Vola ???
……...nefa !!! ny fiainana tsy Vola ny Vola tsy rangahy
fa ny tena fiainana???
…..ny fiarahamonina tretrika sy lafatra
dia ny tokantrano mendrika sy sambatra
dia ny fihavanana voalohan’ny harena
ampian’ny kolontsaina sy n’.. fitondran-tena

Koa raha diso lahy izato redirediko
Avereno amiko raha zaza loatra ny hevitro
……………………….
Ny Vola ve tadiavina fa fiainana ny Vola ???
Asakasakao ……….

marainan’ Ni..! 16 Mey 2006
Zandry Ni..!
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
2013 0
Hevitra mandeha
Mysento ( 19/08/2009 10:38)
Hoy Dj SS vola io....
doudouridou ( 05/09/2009 09:29)
Ny vola no hozatry ny fiainana hoy ny fitenenana. Tsy mande mitsy ny tokantrano ra tsisy vola, na misy fitiavana sy fahendrena sy fitondran-tena sns aza ao... Noho izany, raha tiana ho mendrika sy ho sambatra ny tonkantrano, dia tsy maintsy mitady vola amin'ny herin'ny tena rehetra, fa kosa tsy amin'ny fomba maloto...
rhina ( 07/09/2009 05:27)
d aona ra ts maita r doudouridou indrindra @ zao ts fisin'ny asa zao hiiiii!!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ni..! (RPR)
Nampiditra : Niii
Daty : 18/08/2009 05:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143