MAIZINA NY TANY (Ni..! (RPR))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
………………………………

Misaleboka vongan-draho mainty
ny mahatsaravahininay…
Mandrovy ampitso tsy hay hoe ahoana

Fanin’ny bolabolan-tany
tsy mitsaha mihazakazaka ny omaly....
Ka! Fihinin’ny bemangovitra milalao fotoana

Manorana fo mitempo loaranjy
Ny voa….makirana, mangana afero
Mangidy ny tsatsony tsy hita ho tsentserina
Ka mankadilo ny tsikin’ny taona

Mangorana hovitra…manakotsako
Ny ambaindahin’ny tsy fantatro intsony
Misalobona angovo mahery vaika
Ny mena masoandro mangoly mafaitra

Misangy kintana
Ny volan-tsinana
Efa mitsilopin’ny tara-masoandro
…maizina
MAIZINA NY TANY


madiva harivan’ Ni..! 14 Febroary 2005
Zandry Ni..!
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy - fiainana
1314 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143