AMIKO (Ni..! (RPR))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Amiko !
Raha adika teny fohy ny ampahan’ito fiainako
Dia !!! izao no azo hambara
Ny mafy no mihafy tsisy hisalorana
Fa ny andro moa ririnina
Ka gony no fihinina solona firakotra
Ny tafy no talaky manintona ny saina
Ka tsy mampaninona
Ny tafo manjelatra ery avara-trano
Amiko !
Ny dikan’ny fiainana lalovako isan’andro
Dia mila aloha ny aina,mila koa ny vatana
Mila avy eo ny saina
Fa tongotra eo an-dakana tsy azo hihemorana
Izay manoloana
Ka tsy maintsy sedraina
Na ho amin’ny fomba ahoana na ho amin’ny fomba ahonana
Amiko !
Raha adika teny fohy ity lalan’ity dia tsotra
Mideza sy malama
Fiakarana fidinana
Ka amiko ny anjara izay lazain’ny sasany fa ilaina vatana
Dia zava-poana marina
Ka tsy ilaiko hampiarina amin’ny vatako
Tsy ho tsemboka
Ndrao ataon’ny hafa mana avy any an-danitra
Ka hanesoany ny amiko

Amiko ?
Fantatro ny dikany… ady ny fiainako

Zandry Ni..! alakarabo
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1261 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136