You are here: home > Vetso

MISY IANAO - Ni..! (RPR)

Azo vakiana?

Misy ianao
matoa ny nofiko alina
nanembona salovana
karazan-tovovavy
toa anao izao

Saingy!!!
Tsisy ianao
raha toa ka tsy nasehon’ny volana sy taona
ilay tsikitsikinao
nambabo fotsiny iny

Nefa dia!!! Nisy ianao
nanaitra ilay fijery
tafatopy tampoka
tan-dalanao teny
ka nampiteny irery ‘lay foko nanantena
Nefa… dia tsy nisy ianao

mody masoandron’ Ni..! 24 Avril 2002
Zandry Ni..!

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

pisokelinah (28/08/2010 08:34:24)

Ni...! a!
za mahalala io olona resahinao io!tena misy izy ka!fa tsy nofy saingy tsy tanteraka fotsiny!mahereza e!