✍MPIVAHINY IZAO SY IANAO ✍ (Frederic Rnf)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
✍MPIVAHINY IZAO SY IANAO ✍

Ny fiainatsika eto an-tany
Dia Tsy aharitra mandrakizay
Fa mandalo sy miserana ihany
Satria mpivahiny izaho sy ianao

Koa mahaiza ary manararaotra
Miheza manao ny tsara hatrany
Mahaiza mivahiny eto an-tany
Ka tsy hanenina indray andro

Maro ny zavatra mety mafinatra anao
Kanefa izao no tsarovy hatrany hatrany
Mbola hotsaraina izaho sy ianao
Amin ny zavatra rehetra izay natao

Ny tsara izay vita tohizo hatrany
Ny heloka vita angatao famelana
Ny fisedrana miseo raiso ho anatra
Ka hoeto ho apinga ny fiainako-hoavy
--------
Rohy:
191 1
Mpakafy: Rnfrm
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171