Tsy anjara (Frederic Rnf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy izay rehetra hirina
Na izay rehetra tiana
Sy mafinaritra ny maso
No antsoina hoe anjara fa

Izay avy amin’Andriamanitra.

Tsy izay rehetra iangaviana
Na koa hitamoniana hifikana
Ranomaso no antsoina hoe anjara fa
Izay tonga amin’ny ora voalahatra.

Ka io tsy azo ifanarena
Tsy azo aseho amin’ny etsi-po
Ka na tahaka ny inona ho fanazavana
Ny fifankatiavanareo roa teo aloha.

Io rehefa hoe rava dia izay tokoa ilay hoe tsy anjara.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
91 1
Mpakafy: Rnfrm
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0232