Ray o Mankasitra Anao (Frederic Rnf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ray ô, misaotra tamin'ny nandaharanao ny fiainako.
Fa na dia somary mafy sy mangidy aza indraindray,
Dia mbola tsy lavo fa afaka mijoro tsara hatramin'izao.
Ka indro hijoro tsara hitory ny fahatsaranao lehibe.

Ray ô, na dia noesorinao aza ireo izay akaiky ahy,
Dia mbola misaotra anao ihany aho fa nahasoa ahy izany.
Na ory sy misento lava aza aho, ny teninao no mampahery,
Mampitraka ahy, manoro ahy ny lalana tokony hizorako.

Ray ô, na tsy manome fitiavana ahy aza ny manodidina ahy,
Ianao eo foana tsy sasatra manome ahy teny mamy,
Mampandry ahy eo amin'ny ahi-maitso, manala ny tebitebiko.
Mihezaka mampifaly ahy raha sendra fahoriana aho.

Ray ô, na dia irery aza aho, ianao eo foana.
Ny fitiavanao no hany fanantenako, tsy misy toa izany.
Misaotra anao aho, ry Ray, amin'ny fitiavanao tsy mivadika,
Izay manome ahy hery hiatrika ny fiainako ho avy
--------
Rohy:
71 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0229