Hafatra (Frederic Rnf)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Etsy anie ianao mba ho afarako kely vety vety monja raha toa ka handalo any aminy.Lazao azy fa efa hadinony hono hoe ireo sambotra fitia nampindraminao azy teo aloha.
Voafafa tao am-pony ilay tsikim-pian-tsarambelatsia sy mody teny mamy nandratranao ny fony.
Efa nikatona hony ilay fery tamin’izany hoe dia efa mahay mamindra tsara izy any ho any ka tsy ho solafaka fanindroa.
Dia hanaro tsara izy mba hahay hitondra tena tsara, hampafantaro azy fa tsy ny andro fahavaratra ihany ny tany no malama.
Fa mety ho amin’ny hain-tany ihany koa, mety bado bado ilay bandy teo aloha.
Fa any ho any kosa mety misy voay nona no sady ampy trakefa, ekeko hoe mahay rano izy fa mety ho faty vetivety.
Raha tsy ampy vovok’aina, hoetina miatrika ny halavirana sy ny halalin’ny rano.
✍️ Rñf ✍️
--------
Rohy:
Sokajy :
Fananarana
