Alina Mangatsiaka (Frederic Rnf)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indray andro aho nande hirery teny an-dalambe
Ny kintana manjelatra toy ny diamondra
Ririnina mamirifiry ny rivotra mamanala
Mapaniry fitiavana mba hanala ny hatsiaka

Fa ianao tsy eo an-dalana
Tsy eo mba hanazava ny alina
Ny fonao mangatsiaka toy ny ranomandry
Manala ny hafanan'ny fitiavako

Nieritreritra anao aho teny an-dalana
Nieritreritra ny tsiky sy ny masonao
Fa ianao tsy teo mba hihaino ny hirako
Ny hira feno alahelo sy hatsiaka
--------
Lien:
415 1
Fans: Rnfrm
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0114