Mba koloy (Frederic Rnf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba koloy

Ny zava-boaary, an-tsaha sy an-tanĂ na
Dia nomen'Andriamanitra, mba hanjakana
Izany anefa tsy midika, anamparo filana
Fa sahia mananja, sy miaro ny zony

Kolokoloy mba ho soa lalan-dava
Fadio ny manimba, fadio ny mandrava
Raha te hanana zavatra tsara ho jerena
Ho fahafinaretan'ny aty fanahy

Raha te hifoka ny rivotra soa sy madio
Ny tontolo iainana re mba kajio
Aza faly manapaka fa mba mambole
Izay zavatra ilaina rahatrizay ho lehibe

Voleo ny ana-maitso sy ireo voninkazo
Tondray isan'andro aza avela halazo
Ireo voron-kely avelao mba hivazo
Mba ho henohenoina raha sendra voan'ny tazo

Ry mpandringana ala, ry mpandoro tanety
Atsaharo hatreo io fa tena tsy mety
Raha ho foana ny voaary, tsy misy azo hohanina
Dia ho ringana isika mpandrora mantsilagny

Mitomany ny tany sy ireo manan'aina
Mosarena ny olona ka velon-taraina
Kanefa ny sasany dia faly ny hanimba
Dia ireo solofo sy dimby, tsy misy azo hiantefana
--------
Rohy:
166 1
Mpakafy: Rnfrm
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0631