Ratra (Frederic Rnf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao ilay mba nanankinako ny fitiavako
No indro lasa nitondra ratra ity foko.
Hay ianao, kay efa nanan-tompo fa tsy tokana,
Kanefa nilaza ho tokan-tena telo volana.

Dia indro fa nisokatra indray ilay feriko,
Satria nototofana abobo sy fitia laingalainga.
Ilay fitia mamy izay natolotro antsitrapo,
Indrisy, fa tsy tompotoera, kay aho fa mpindra.

Tsy tantiko ny mahita anareo roa mitositosy,
Miaraka mihirahira, dia arahinao feo faharoa.
Tena mandratra fo loatra, fa hakako lesona
Mba tsy hidirako angano fanindroa.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
249 1
Mpakafy: Rnfrm
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115