Faingana re fa hariva (Frederic Rnf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Faingana re fa hariva


Faingana ry zandry malala fa efa mandroso ho hariva ty ny andro
Ny lalakombana mantsy tena mbola lavitra ka herezo hatrany ny diha
Sao tratry ny aizina aty isika ka tsy ahita ny lalakombana
Sy ho henjehan'ireo biby dia masika izay ao anaty ny ala

Faingana fa aza ketraka ny Tompo anie ka momba-tsika e!
Ampiasao ny finoana izay ananao fa aza mora ketraka
Mirosoa hatrany na de mbola tsita fiafara aza izany diha
Isika koa mantsy vahiny kanefa de mandeha aty antany lavitra

Ny fitadiavana sy ny tsy fanana koa mo mazaka maniraka
Ka de indro isika nihezaka nandeha nanalavitra ny tany nombana
Tsy mba nihevitra akory izay halaviran-dalana
Fa de nizotra namakivaky ireo tanana maro dia maro

Faingana fa efa yo ampita yo ilay tanana feno zavatsoa
Maika hametraka ireto etana mazefatra eto an-tsoritsika
Aveo mantsy isika mbola hiezaka hitety ireto tampotanety midadasika
Mino sy manatena mantsy aho fa ao no misy ilay harena soa natokana ho antsika
--------
Rohy:
101 1
Mpakafy: Rnfrm
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014