Ny tontolo maintso (Frederic Rnf)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tontolo maintso

Ny tontolo maintso manodidina ahy,
Manainga ny aingam-panahiko
Mampivelatra ny saiko hanaka-davitra
Ary mamelombelona ny atim-pahalalako.

Ny hazo maitso manopy maso ahy,
Manome alokaloka sy fiarovana ahy.
Ny vorona mihira manome fiadanana,
Ny rivotra mangatsiatsiaka manome fahasambarana .

Ny masoandro mamirapiratra manome hazavana,
Ny volana sy ny kintana manome taratra.
Ny ranomasina malalaka no manitatra ny saina,
Ny tany lonaka manome sakafo.

Tsy misy zavatra tsara noho ny tontolo maintso,
Manome ahy ny zavatra rehetra izay ilaiko.
Misaotra an'Andriamanitra aho nahary ny zavaboaary,
Hiriko ianao mba hikolo sy hitandrin'izany.
--------
Lien:
393 1
Fans: Rnfrm
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0125