Ny eo anilanao (Frederic Rnf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandry ny saiko akia ry malalako
Rehefa iny aho mitoetra anilanao
Toa lafatra ery izany fiainako, satria
Omenao fitiavana tsy mankaleo

Ravo ny foko, miramirana ny saiko
Rehefa mamihina ahy ianao
Ny eo anilanao toa misy hery, miavao
Isan’ora ka manome hasambarana

Ka na ho avy aza ny andro mangidy
Na hitranga amin’ny fiainana ny sarotra
Ho eo foana aho, tsy hiala ho anao
Hiatrika izay mitranga na soa na ho ratsy
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
344 1
Mpakafy: Rnfrm
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Frederic Rnf
Nampiditra : Rnfrm
Daty : 20/06/2025 09:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113