You are here: home > Vetso

ABORAHO - Ainampaniry Anjara Nivo

Azo vakiana?

A B O R A H O

Ny  nofy  anatinao?
Tsy  misy  fiantombohany  io,  tsy  misy  fiafar├ány;
Fa  fotsiny  venteso toy  izany  ataoko  izany;
Raiketo  mba  ho  lasa  ampahan-tononkalo;
Kanefa  koa  fantaro

Fa  ny  nofinofinao,
Ny  vinavinanao
Amin'ny  andronao  ho  avy
Dia  anao  samirery.
Aza  aboraboraka  fa  maro  mpamosavy
Mikendry  lalan-dava  ny  hahapotika  azy  ireny.

Rahatrizay  ka  vita  ny  nofin-tenanao,
'Ndeha  indray  mba  vinao
Aloha  ny  nofy ratsin'ny  hafa:
Hoe  any  misy  fo  mifendrofendro  sy  maratra
Saingy  vitsy  mpahatsapa!

Sombim-pikafika,
Sombin-"teknika"  ihany  izay  rehetra  izay,
Fa  anao  ny  aingam-panahy,
Anao  ny  hadal├án-tsaina;
Raha  hisy  tsiny  hitobaka  eo:  ianao  no  hosavolaina.

Ainampaniry Anjara Nivo

Sokajy : Aingam-panahy