You are here: home > Vetso

F A N I L O - Ainampaniry Anjara Nivo

Azo vakiana?

FANILO

Maizina  hono  ny  lalan-komb├ána?
Amiko  tsia,
Matoa  tsy  hitanao  izany  fahazav├ána,
Dia  mety  satria:

Tsetsetra  fotsiny  no  hoetinao  miaina
Sy  mandia  izany
Ka  rariny  ianao  raha  ho  sasa-taraina
Tsy  roa  aman-tany.

Ny  fo  sy  ny  saina  sy  ny  hery,  fanahy:
Ireo  no  fanilo,
Ka  'reo  no  laroy  amin'ny  herin-dehilahy  dia
Rafeto  ho  jiro  fa

Ho  hitanao  eo  ny firehetan'ny  kintana
Anaty  haizim-pito,
Sy  izay  fahombiazana Irahin'ny  vintana
Hivoaka  rahampitso.

Ainampaniry  Anjara Nivo

Sokajy : Fampaherezana