HONO (AnjaraNivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
H O N O ?

Hono ry fasa-mampody ho tany,
Mba firy ny sento nindaosinao any?

Nindaosinao any tsy nisy fihatràna,
Kanefa tsy anatin'ny didy, lalàna:

F'ianao manan-jo haka an-keriny ireny
Fanahin'ny potraka sy ny malemy,

Ny nofo marefo tinaizan'aretina,
Vatana kely madio tsisy pentina,

Ny vokin-traikefa an-taonany ela,
Noraofinao any tsy nisy tavela.

Hono? Rahoviana ny antsonareo:
No ho vitsy an'isa sy ho ambany feo?

Ny antsonareo ka tsy zakan'ny loha
Sy mila hampirongatra famoizam-po.

Azoko anefa ny lalàn'ny tany:
"Tsy misy nateraka ho velona izany",

Fa santatry ny ho avy irony antso nandeha,
Dindon'ny nofoko be rehareha.

Ainampaniry Anjara Nivo
--------
Rohy:
Sokajy : alahelo - Fasana
408 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AnjaraNivo
Nampiditra : Ainampaniry Anjara Nivo
Daty : 12/03/2021 19:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142