IZAHO TSY IZA AKORY (AnjaraNivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAHO TSY IZA AKORY

Izaho tsy iza akory
Fa singa mpampifaly amin'ny andro mampahory,
Mpandrotsirotsy mavana ny fonao mba ho tony.

Izaho tsy iza akory
Fa afo mpanafana ny nofo mora ngoly,
Mpandravona saritaka tsy hisian'ny lonilony.

Izaho tsy iza akory
Fa angatra voairaky ny nofo efa matory,
Mpikalo ny hatsaràn'irony voary maitso irony.

Izaho tsy iza akory
F'ilay mora voababon'ny "tsy fantatra any am-pony",
Sodokam-pahamendrehan'ny fitsimoky ny vony.

Ka moa ianao toa ahy?

Ainampaniry Anjara Nivo
--------
Rohy:
Sokajy : aingam-panahy - poet
557 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AnjaraNivo
Nampiditra : Ainampaniry Anjara Nivo
Daty : 26/03/2021 17:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0762